|
|
| | | | |
|
| Teny iditra | 1 Mpikororoka ampombo |
| Singan-teny | 2 mpikororoka, 3 ampombo |
| Sokajin-teny | 4 anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana] |
| Voambolana | 5 Haisoratra: tononkalo |
| Mpanoratra |
6 Rajaobelison Samuël |
| Lahatsiratra manontolo |
7 8 Milina mpitoto injao migoboka ao, 9 Ampombo be miavosa an-tsisin'ny tamboho; 10 Indro vehivavy hatsatra sy lao 11 Mitondra am-babena zaza miamboho. 12 Rehefa feno ampombo ny gony kely nentiny, 13 Nataony an-doloha, ny masony efa lalina! 14 Hokororohina io sitrany hisy ventiny, 15 Na kely ihany aza hiantoka ny alina! 16 Etsy ambody hazo ny zaza mitomany, 17 Ditsoky ny ampombo ka mangarom-bava; 18 Hontsa ho'aho ilay reny raha mahita izany, 19 Ka mody velon-kira miantsa dridralava 20 Tapaka kapoaka!… lohavary mena! 21 Izay no kororoka namonoana ny andro! 22 Nitsangana Ingory hamonjy ny babena, 23 Dia lasa Ramatoa hanokona nahandro. |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/17 |
|